Ho tanterahana amin’io herinandro ambony io ny fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny antenimieram-pirenena raha araka ny fantatra, mba hahafahana mandinika ny volavolan-dalàm-pifidianana.Milaza ny tsy mbola naharay fiantsoana ny amin’izany anefa ireo solombavambahoaka nanontaniana omaly na ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana io na ireo mpanohitra.
Ny resaka tena mandeha dia ny ketrika hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta Solonandrasana, araka ny siosion-dresaka efa nivoaka ny volana desambra lasa teo.Mandà mafy ny fisian’zany anefa I Jean Max Rakotomamonjy filohan’ny antenimieram-pirenena, tsy fotoana hanoloana praminisitra sy governemantta izany intsony amin’izao fotoana, hoy izy.Na izany aza anefa dia mahoraka io resaka io, ary ny olona akaikin’ny fitondrana aza no tena milaza azy fa tsy ny ambara fa mpanohitra.Maro amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM mantsy no tsy mahazoazo firy intsony ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly; re ihany koa fa misy amin’ireo tandapa tena akaikin’ny filoham-pirenena no sosotra amin’ny fomba fiasan’ity praiminisitra ity, izay voalaza fa tsy voafehy intsony ka lasa manao izay tiany atao.Politika moa no resaka eto koa mety samy manana ny paikadiny ny tsirairay avy , fa ny tsapa aloha dia nihetsiketsika fatratra sy niezaka nanao serasera matanjaka tato anatin’ny roa volana izao ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa azy ary misy amin’ny mpanolotsainy aza no tsy misalasala manakiana mafy dia mafy ny fitondram-panjakana mihitsy kanefa dia tsara toerana hatrany ao Mahazoarivo, satria mety tsara mpiaro koa. Io ady mangatsiaka anatiny io no fantatra mbola maha sahirantsaina ny HVM ny amin’ny dingana manaraka arahana; satria misy ihany koa ireo manohana an’ingahy praiminisitra na dia tsy miseho mivantana aza.Tsy tongatonga ho azy fa misy antony ilay tenin’ny praiminisitra afak’omaly niantso ny governemanta mba hiray hina sy hiray saina fa ao raha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.