Politique

Fanesorana ny praiminisitra Andro sisa isaina ?


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana no nahenoana fa tsy haharitra ela intsony eo amin’ny toerany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Hanadio ny ao an-tokantranony sy hanomana ny fifidianana ho avy ny fitondrana ankehitriny, ka anisan’ireo lohalaharana tsy maintsy hoesorina ny tenany, izay voatendry teo nanomboka ny 10 aprily 2016. Rahaharaha tena nanaratsy endrika ity praiminisitra ity ny kolikoly goavana nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy. Mpanolotsain’ny filoha no anjara toeran’io ramatoa io, izay tsy mbola mazava na nisy fanendrena ara-taratasy na tsia.  Tsy nisy sonian’io mpandraharaha mpanefoefo io velively ny famoaham-bola tao amin’ny minisiteran’ny Atitany, izay ny praiminisitra no tompon’andraikitra voalohany, saingy i Claudine Razaimamonjy aloha no nohenjehina. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena no tsy dia mankasitraka firy sy toa manosika ny fitondrana hanala azy. Hivoaka mora amin’ity raharaha ity ve ny praiminisitra raha tsy eo amin’ny toerany intsony ?

Salovanin’i Rivo Rakotovao

Misy ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny HVM no efa tsy faly aminy sy maniry mafy ny hanesorana azy, ary voatonona ao ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Tato ho ato, tsikaritra ho mitsabaka mihitsy amin’ny asan’ny governemanta izy, raha tsy hilaza afa tsy ilay raharaha momba ny torabato tany amin’ny lalam-pirenena faha-2, izay ny ao anatin’ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitaterana, aza toa voadingana fa i Rivo Rakotovao no niditra an-tsehatra tamin’ny famonoana afo voalohany. Toa te hanaporofo, fa tsy mahavita azy ny governemanta, indrindra ny praiminisitra mpitarika azy. Ny resaka pesta moa dia ireny niaraha-nahita ireny. Tsy resaka andraikitra minisitra tokana fa efa tena adidin’ny governemanta manontolo, saingy niaraha-nahita ny tsy nahafehezana azy,…  Fotoana voalohany hifanatrehan’i Rivo Rakotovao amin’ny maha filohan’ny antenimierandoholona azy anio 7 desambra, ary mety ho fotoana farany hifanatrehan’i Mahafaly Solonandrasana Olivier amin’ny parlemantera amin’ny maha praiminisitra azy. Iza no mety hasolo ny toerany ? Laharam-pahamehana ny fandresena amin’ny 2018, ka anisan’ny efa nalaza ny anaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atallah Beatrice, izay efa nitana ny toeran’ny filohan’ny CENI-T tamin’ny nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina. Fomba fanaon’ny HVM rahateo ny mampifamadibadika toerana sy mamerina ny efa teo.  Anarana manomboka efa malaza fa mety ho praiminisitra manarakka eo ny Jeneraly Herilanto Raveloharison, izay sokajiana ho olona mahatoky ao anatin’ny fitondrana ary efa tao foana hatramin’ny tetezamita ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT