Politique

Fanesorana ny filoha Hanani-dapa, hanao sorona indray ?


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika,

eny fa hatramin’ny fiarahamonim-pirenena aza, mitaky ny hialan’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny asa aman’andraikitra maha filohan’ny  Repoblika Malagasy azy, ka hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena vaovao mialoha ny fotoana. Nanandrana nanala ny solombavambahoaka tamin’ny taon-dasa raha nanao ny « motion de déchéance », fa tsy tafita. Tsy nionona teo ny sasany amin’ireo mpanohitra izao fitondrana izao fa nitady hirika hatrany « hanalana faran’izay haingana » amin’ny toerany ny filoham-pirenena fa tsy mahandry ny fifidianana amin’ny 2018. Raha ny loharanom-baovao aza dia kasain’izy ireo hotanterahina mialoha ny hanombohan’ireo fanadinam-panjakana faramaranan-taona eo amin’ny sehatry ny fampianarana izany. Ny fitaomana olona hilahatra hitaky ny fialan’ny filoham-pirenena etsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, toy ny tamin’ny 2009 no tetika hatao amin’izany. Misy ny fizarana vola 3 000Ar isan’olona tao anatin’ny andro vitsy izay, ka ny eny amin’ny faritra iva no ifanotofana amin’izany. Na fantatra izao fa faritra mena ny lapam-panjakana, dia inian’ny sasany hitaomana vahoaka ihany satria, hono, efa nahitana fahombiazana nampiongana ny filoham-pirenena tamin’ny taona 2009, na dia niaraha-nahita aza ny vokany, fa faty olona maro noho ny tifitra variaraka nitranga teny. Hanaiky ny hanaovana azy sorona izany ve ny vahoaka ? Hiandry izay higadonany sa handray fepetra ny fitondrana hisorohana ny tsy hisian’ny faty olona mikararana indray ? Miandry isika !


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT