Tsy mitazam-potsiny manoloana ny fanesorana amin’ny toerany ny Talen’ny kabinetran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpiasa.
Nisy ny fanambarana navoakan’izy ireo omaly tamin’ny anaran’ny Fikambanan’ny Mpiasan’ny Tanànan’ Antananarivo na FMTA izay nampitandremany fa tsy hanaiky ry zareo raha sanatria ka misy ambadika politika araka ny notaterina teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny fanongotana amin’ny asany ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre. “Mety hampikorontana ny fampandehanana ny asa eto amin’ny Kaominina ny raharaha raha voamarina io resaka io”, hoy ilay fanambarana nosoniavin’i Nirintsoa Jaona Clément, filohan’ny FMTA.
Nilaza ny hihaona amin’ny PDS moa ry zareo taorian’ny valandresaka nataony omaly maraina teny Tsimbazaza hanontany ity farany ny tena zava-misy marina amin’ny maha tomponandraikitra voalohan’ny tanàna azy. Raha mitombina tokoa ilay resaka nambara an-gazety dia “ho ratsy noho ny any Betroka ny eto Antananarivo satria izay mpiasa mandray fanapahan-kevitra dia voaroaka na voasazy”, araka ny voalaza ao amin’ny fanambarana ihany. Notsiahivin’izy ireo fa tsy fiarovana olona no ataon’ny FMTA saingy tsy ekena kosa raha didiko fe lehibe no hanesorana tomponandraikitra manao ny asany. “Ho lasa tany tsy misy fanjakana sy baranahiny eto raha izay satria izay tian’ny manampahefana no arahana”, hoy i Nirintsoa Jaona Clément. Marihina fa mpiasa 3.000 amin’ny 4.000 miasa ao amin’ny Kaominina no mpikambana ao amin’ny FMTA.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.