Politique

Fanesorana mpikambana CST Mifanohitra Rasamizafy Cyril sy Voninahitsy Jean Eugčne


  • Alarobia 02 Mey 2012

Miteraka savorovoro eo amin’ny samy momba an-dRajoelina ny fikasan’ny Les AS tarihin’i Voninahitsy Jean Eugčne hanala tsy ho mpikambana ao amin’ny CST ny olona iray tao aminy.

 Tsy nomena zo hiaro tena akory ny olona noroahina teo aloha tsy ho mpikambana ao amin’ny CT intsony noho ny fangatahan’ny Les AS, hoy ny CST Rasamizafy Cyril, nefa izao i Voninahitsy Jean Eugène dia mitady hanala olon-kafa indray dia ny CST noho ny fidirana hanatevin-daharana ny vondrona parlemantera “GP de Consensualité” ary nanonona ny anarako mpitarika ity vondrona ity koa tamina fahitalavitra tsy miankina iray ny alatsinainy 30 aprily. Izaho tsy te-hametraka ady, fa izao kosa : antso no ataoko, matoky ny fahendrena sy fahamatoran’ny filohan’ny tetezamita aho, tsy hiditra amin’izany lalana diso handroaka olona izany, hoy Rasamizafy Cyril. Fitaka be vava izany, hoy ity farany satria ny «consensualité» mihitsy no simbana.

Tsy iza moa ity parlemantera tadiavin-dry zareo hoesorina ity indray fa ny CST Mahatody Feride avy amin’ny antoko Tambatra tao amin’ny vondrona Les As teo aloha nifindra vondrona «GP de consensualité». Resaka heno miverimberina anaty sori-dalana hatrany, hoy ny CST Rasamizafy Cyril, ny teny fototra hoe «consensualité» sy “inclusivité” na ny fiaraha-mitantana sy fandraisana anjaran’ny rehetra anaty fitondrana. Hitam-poko hitam-pirenena fa nisy foana ny fotoana tsy nifankahazoanay mpanao politika ato anatin’ity rafi-panjakana mpanao lalàna (CST) ity. Rehefa niforona anefa io vondrona parlemantera io dia hita fa nihena izay fifanandrinana izay satria nisy ny hevitra novoizina hoe : andao hitambatra hampiaina izany «consensualité» izany ary hiaina ao anatin’izany ka hifandefitra, afaka mifampiresaka sy mifanakalo hevitra amin’ny sehatra rehetra. Efa nifandinika tamin’ny lehiben’ny rafi-panjakana rehetra mitarika ny tetezamita izahay ao amin’ity vondrona ity, hoy Rasamizafy Cyril. Ny atao hoe «autres sensibilités» dia vondron-kery maro no mifangaro ao, izany hoe «consensualité» izany no iainan’io Les AS io ka tsy mendrika mihitsy raha ny «autres sensibilités» no hanala olona miaina amin’ny fiaraha-mitantana sy fandraisana anjaran’ny rehetra.

Mifanohitra amin’izay foto-kevitra farany izay izany. Ny fisian’ity rafi-panjakana ity mihitsy no misy olana raha toa ka ampiharina io hetahetan’ny Les AS io. Marihina fa misy HPM, Les AS, Ankolafy Ravalomanana, MDM, Exopoles … ao anatin’ny «Groupe parlementaire de consensualité» ity izay nomarihan’ireo CST mpikambana ao aminy omaly fa tsy midika fialana amin’ny antokon’ny tena tsy akory ny fidirana anaty vondrona parlemantera iray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT