Eo anatrehan’ny fomba nanesorana an’i Christine Razanamahasoa tsy ho filohan’ny Antenimieram-pirenena intsony nataon’ireo depiote niisa 111 teny Tsimbazaza ny sabotsy 3 mey 2014 dia manambara ny vovonana GMT (Gasy Miaina amin’ny Taniny) tarihin-dRakotomalala Henri na Riribe fa «tsy araka ny fomba demokratika iny nataon’ireo depiote iny. Mbola filohan’ny Antenimieram-pirenena mantsy Rtoa Christine Razanamahasoa no niteny fa amin’ny alatsinainy (anio) no hanatanterahana ny fifidianana nefa nanaovan’ireo depiote hafa amboletra». Hita miharihary, hoy i Riribe fa «misy tanan’ny Prezidansa iny fifidianana natao ny sabotsy teny Tsimbazaza iny ary sahinay ny milaza fa nisy vola nihodinkodina nomena ireo solombavambahoaka ireo tamin’izany fifidianana izany». Tena miditra an-tsehatra amin’ny raharahan-tokantranon’ny mpanao lalàna ny mpanatanteraka, hoy hatrany izy. Nilaza ity farany fa hiantso vahoaka hanolo-tanana an-dRtoa Razanamahasoa Christine.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.