Politique

Fanentanana momba ny fifidianana Izao vao mamovokovoka ny CENI


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Namory ireo sefo fokontany teto Antananarivo sy ny manodidina ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) momba ireo izay tsara ho fantatra sy tandremana ao anatin`ny fanatanterahina fifidianana izany.

 

 

 Teboka roa no tena nodinihana ato anatin’izao famaramparanana ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana izao. Voalohany, ny tokony hijerena tsara ny firindran’ny asa eo amin’ny fampidirana ireo olona tafiditra ao anaty boky mirakitra ny fisoratana anarana (carnet de recensement) sy ny ao anatin’ny firaketana anaty solosaina (base de données), mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny noho ny tranga hoe voasoratry ny fokontany ao amin’ny kahie fa tsy ao amin’ny milina eny amin’ny CID (centre d’informations du district). Faharoa, fanomezana toromarika ho an’ny sefom-pokontany fa hatramin’ny 15 febroary dia mandray fisoratana anarana ny fokontany ary tsy afaka mandà ireo olom-pirenena vonona hanao izany, tsy azo aroso io fe-potoana faritan’ny lalàna io. Nisy ny fanazavana sy fanatsaràna fomba fiasa indrindra eo amin`ny fandraisana fanakianana nataon`ny olo-pirenena  ary ireo fepetra rehetra voalazan`ny lalàna afahan`ireo olo-pirenena hirotsaka amin`izany fifidianana izany. Ao ihany koa ny endrika amin`ny fanentanana ny vahoaka. Iray andro mialaohan` ny fanakatonana vonjimaika ny lisi-pifidianana vao manovokovoka ny (CENI). Tsy afa-miala ihany koa tamin`ny fomba fiasa tandrevaka na mety efa niniana natao mihitsy ka nahatonga ny hosoka sy hala-bato manara-penitra nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT