Nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Tolagnaro omaly hariva taorian’ny fanakanana ny fihaonana saika hotanterahany tamin’ny mponina tao an-toerana Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara, niresahany ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Nanana solontena nanatrika izany ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fahitanao ny 2018 taom-pifidianana, hilamina ve ?
Marc Ravalomanana (MR) : Amin’ity taona ity tokoa ny fifidianana, nihaona tamin’ny frantsay sy ny eoropeanina aho nandritra ny diako farany tany ivelany teo. Samy niteny ireo fa tsy tokony hisy fanilikilihana izany amin’ny fifidianana raha tiana hilamina ny toe-draharaha
TT : Ianao ve tsy matahotra sy tsy hihemotra amin’ny fanenjehana atao aminao isaky ny mihetsika io ?
MR : Rehefa hanao politika ianao, dia manana ilay toe-tsaina sahy miatrika ny zava-misy, ary mahalala fa misy ny tombony azonao amin’ny fanenjehana anao. Tsy navela notanterahana ny hetsika fa kosa hitako ary hitan’ny rehetra maso ny fankafizan’ny olona ahy eto Tolagnaro. Tsy maintsy sahy fa tsy misy olona hanaraka anao izany eo raha ianao mpitarika no kanosa.
TT : Maro ny fanelingelenana anao sy ny mpanara-dia anao, mbola ho sahy ihany ve ianareo ?
MR : Efa nivonona amin’izany aho, tsy misy mihemotra izany, ary ny vahoaka malagasy tsy hanaiky an’io mihitsy eo ny TIM, KMMR, voafehiko ny mpanara-dia ahy, izay no tena « leader ».Tsy maintsy manana fahasahiana ny mpitarika, izay no maharesy lahatra ny olona satria hitany maso ny fihetsik’ilay mpitarika.
TT : Raha tafaverina amin’ny fitondrana ianao, inona no fampanantenana omenao ny vahoakan’ny Faritra Anosy ?
MR : Mahazo mahatoky ianareo hiverina aho. Noana ny olona ety, tsy maintsy mamorona asa isika, hahodina tsara araka ny tokony ho izy io seranan-tsambo lehibe io.
TT : Ahoana kosa ny hevitra momba ny Zone Economique Spécial (ZES) tahaka ny heverina hapetraka eto Tolagnaro ?
MR : ka iny aza efa nolavin’ny HCC (fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana). Misy tsy mety sy tsy manara-dalàna ao izany. Reko ihany koa fa tsy manaiky an’io ZES io ny FMI (Tahirim-bola iraisam-pirenena) .Ny mpitondra sy mmpitarika izany tsymaintsy mahafehy ny resaka fifampiraharahana eto an-toerana sy any ivelany ary mahalala ny kipisopitsony ara-teknika rehetra mba tsy hanaotao foana e !
TT : Nanao ahoana ny fahitanao ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana teto Tolagnaro ?
MR : Ny mpitandro ny filaminana dia miaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy maka na mamotika ny fananan’ny vahoaka.
TT : Raha tafaverina eo amin’ny fitondrana ary ve ianao dia tsy hanenjika mpanohitra na hanakana fivoriana tahaka izao nanjo anao izao ?
MR : Tsy tahaka ny taloha tamin’ny 2002 na 2003 intsony ny zava-misy ankehitriny, efa nivoatra be na ny fomba fiasa na ny teknolojian’ny serasera. Mila fitandremana sy fahaizana io fa vetivety anie dia efa miparitaka erak’izao tontolo izao ny sary sy ny feo e !
Nangonin’i ONE sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.