Politique

Fanenjehana olom-panjakana ambony Ny lalàna no mbola mananosarotra


  • Talata 26 Novambra 2019

Tamin’ ny volana jona 2018 no nanao fianianana ireo mpikambana eo anivon’ ny Fitsarana avo (Haute cour de justice) saingy tapitra tamin’ny 05 febroary 2019 ny fe-potoam-piasana ireo depiote nandrafitra izany ka miandry indray ireo mpikambana vaovao.

 

 

Hatreto aloha dia mbola nahemotra ny fifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Antenieram-pirenena. Tsy ny HCJ ihany anefa no tsy  mahafeno fepetra. Lava loatra ireo dingana vao tonga any amin’ny fitsarana. Ny lalàna lah. 2014-038 no somary mavesatra ary tokony hasiana fanitsiana. Ny lalàna nataon’ny fitondrana tamin’izany no mananosarotra ny fanenjehana : ny fanalefahana ny fomba fitsarana, ny fomba fanenjehana… Laharam-pahamehana no mametraka ny fanjakana tany tan-dalàna sy fitsarana mangarahara amin’ny vahoaka any ifotony. Irariana mba ho vaindohan-draharahan’ny rehetra ny hijery ny fototry ny olana. Rehefa hitantsika mazava ny olana, inona fa hifanaraka amin’izany ny vahaolana sy atao rehetra ? Avela any ny fanao tsy nahomby fa ny tena votoatiny no himasoana.

Raha filohan’ny repoblika na koa filohana andrim-panjakana no hiantefan’ny fitoriana dia ny filohan’ny Antenimieram-pirenena no milaza raha azo atao ny fanokafana fanadihadiana na tsia.  Raha tompon’andraikitra ambony dia ny tonia mpampanoa ambony amin’ny fitsarana an-tampony no manao izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT