Politique

Fanenjehana mpanao gazety Nanaovan’ny polisy bemidina i Harifidy R


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

“Tamin`ny 5 ora maraina dia nisy drindrangilo be ny fampanenoana “sonnerie” tao am-bahavahady.

 

 

 

Nitsangana ny vadiko nanontaniana ireo izay mitady azy ireo vao maraina. Polisy izahay fa vahao ny vavahady. Nampiseho “mandat” avy amin`ny “procureur” fa hisava trano”, hoy i Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazety raha nitafa fohy tamin`ny mpanao gazetinay omaly. Fiara 4x4 roa ary polisy am-polony milanja basy 12 no nitsofoka tao an-tanàna, omaly maraina. Tokony ho tamin`ny 5 ora sasany dia nosavaina nanomboka tany amin'ny efitrano rehetra tao amin'ny trano fonenany, izay miisa 14, ary ny toeram-pivarotana hatrany amin'ny trano fonenan'ny gardien. Taorian`izay, nentina teo anivon`ny “brigade criminel”  (B.C) tetsy Anosy izy natao fanadihadiana.  Araka ny fanazavana tsotsotra teo anivon`ny B.C dia nanatanteraka baiko araka ny taratasy avy amin`ny fitsarana no nataon`ny polisim-pirenena. Tsy nahita porofo tamin`ny antony nanaovana ny fisavana ny mpitandro filaminana. Taorian`ny fihainoana azy teo anivon`ny BC dia nalefa nody ity mpanao gazety ity. Araka ny nambarany hatrany dia lazaina fa mitazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izy ka izay no anton’ny fisavana. Efa nampoizina ny zavatra toy izao. Tsy vao izao no nisy ramatahora tamin`ny mpanao gazety, indrindra ireo tsy mitovy hevitra amin`ny fitondrana, hoy hatrany izy. Tamin`ny taona 1987 aho nandritra ny “Service National” no nitazona basy farany kanefa tsy nahita na inona na inona ireo mpitandro filaminana. Ny asa mitohy, ny polisy manao ny asany ka andrasana ny tohiny, hoy hatrany izy. Dia mitohy izany ny antsojay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy, indrindra amin’ireo mpitsikera ny fitantanana mampijaly vahoaka misy amin’izao fotoana. Tsy manana zo haneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy fa voatampim-bava tanteraka. Raha tsiahivina dia ny volana septambra lasa  teo no nisy mpanao gazety nosokajiana fa mpanohitra notorian`ny fanjakana fa hoe nampiely vaovao tsy marina. Fanontaniana no mipetraka eto : hampidina ny vidim-piainana ve ny fisavana tranona mpanao gazety ? Mpanao gazety iray ve hahavita hanongam-panjakana ? Nahoana no tsy alefa any amin’ny faritra mena ny mpitandro filaminana 2 fiara mirongo fitaovam-piadiana fa any an-tranona mpanao gazety eto Antananarivo Renivohitra no alefa manao bemidina amin’ny 5 ora sy sasany maraina ?

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT