Politique

Fanenjehana atao azy any Sainte Marie Namaly bontana i Berija Ravelomanantsoa


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Mitohy ny raharaha mampifanolana an’i Berija Ravelomanantsoa, lehiben’ny harena anaty rano sy ny jono any Sainte Marie sy ny manampahefana any an-toerana, ka efa nanakiana mafy azy ny depiote Tsivoulagne Maximin.

 Fampihodinan-draharaha no tena ataoko any ary manatanteraka ireo andinin-dalàna mba hisian’ny tamberim-bidy amin’ny fanjakana, hoy izy. Ny zavatra misy dia 1 ka hatramin’ny 2% ireo olona manana taratasy mahakasika ny resaka jono. Misy ny efa zatra hoe rehefa tojo olana dia mitady manampahefana hiaro azy, dia mamorona lainga hahafahan’ilay tompon’andraikitra hanameloka hoe tsy mety ny zavatra ohatr’izany, ka lasa mifanindry ilay fahefana, hoy i Berija Ravelomanantsoa. Efa napetraka hoe raha misy olana momba ny jono manatona tompon’andraikitra dia alefaso any amin’ny Biraon’ny jono, fa tsy izahay indray no lotoina sy kianina, ary tsotra ny teniko hoe tsy misy antony hipetrahako any Sainte Marie raha tsy manao taratasy ireny olona ireny. Manaova tetikasa tsara dia ho hitan’ny olona ny asanao fa tsy ny sampandraharahanay no hitsofotsofohanao, hoy ny ny hafany miantefa amin’ireo manampahefana manenjika azy. Raha misy torohevitra na zavatra tsy mety dia mba mifampiresaka amin’ny tompon’andraikitra, fa tsy sakanana ilay  olona tsy hanatona. Izahay dia mpiasam-panjakana no nandefasana anay. Izay hisian’ny tamberim-bidy no atao  ho an’ny fanjakana, hoy izy. Mikasika ireo mpikirakira ny vokatra an-dranomasina (Mereyeur), dia 90 hatramin’ny 95% no efa nandoa tamberim-bidy any amin’ny tahirimbolam-panjakana, ary efa vokatra lehibe izany. Raha izahay no tonga dia nandray fanapahan-kevitra hoe hampianarina ny lalàna, dia maro no efa tsy nihinan-kanina tao Sainte Marie, saingy nampianarina aloha. Tsy hisy firenena handroso tsy misy fitsipi-pifehezana, ary izaho aloha dia miteny hoe tsy olana amiko raha ilay olona manenjika ahy tompon’andraikitra sasany tsy hapetraka any Sainte Marie. Izay soloko eo raha misy raha izay no tadiaviny, dia mahita azy izy rehefa avy eo hoe manao ahoana ilay izy, fa izao kosa aloha amin’ny maha mbola tompon’andraikitra amin’io eo, dia izaho tsy maintsy mitaiza ny olona hanao taratasy tsy maintsy mijery fomba rehetra hanaovan’ny olona izany mba hanarahana lalàna, hoy hatrany i Berija Ravelomanantsoa.


Marihana fa amin’ny mahafiloham-boninahitra azy ao amin’ny SOLUMA na Solidarité des Leaders Universitaires de Madagascar azy dia ao anatin’ny fikarakarana hetsika ara-tsosialy hizarana vary sy menaka ary savony hoan’ny olana tena sahirana miisa 200 eny Ambohipo ihany koa i Berija Ravelomanantsoa.

Toky R/Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT