Amin’izao ankatoky ny fanendrena ny 1/3 n’ireo ho senateran’i Madagasikara avy amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izao, dia manaitra ny sain’ity farany ny Fedep na ireo
fikambanan’ny gadra politika sampan’i Toamasina mba hijery akaiky ny antontan-taratasy misy ny lisitra naterin’ny Fedep foibe teny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika nivantana. Mampahatsiahy ny filoha ny Fedep fa raha ny lalana nodiavin’izy ireo teo amin’ny tantaran’ity firenena ity dia rariny tokoa raha mba hanana solontena ao amin’ity antenimieran-doholona ity ny Fedep mba hahazoany mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana an’ity firenena iombonana ity. Milaza moa sampana Fedep Toamasina, toy izay efa nataon’ny birao foibe hatrizay ny amin’ny fanohanana tsy misy fepetra ny fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.