Politique

Fanendrena senatera Maro ny zavatra fonosiny


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Nanaitra ny fanamarihana momba ny senatera Lanto Razafimahaleo, vadin’ny tompokolahy Razafimahaleo Herizo, filoha mpanorina ny antoko Leader Fanilo, nandritra ny fivorian’ireo mpikambana omaly.

 

 Niarahaba ny senatera vaovao izay notendren’ny filoham-pirenena ireo mpikambana saingy nanontany tena izay nanolotra ny anarany tany amin’ny fiadidian’ny Repobilika. Midika koa ve ny fanamarihana fa tsy nandalo ny fivoriamben’ny fikambanana ny fanendrena azy ? Tsy fanambaniana an-dramatoa senatera Lanto Razafimahaleo fa raha natao ny safidy teo anivon’ny antoko dia maro ireo naniry an’ny komanda Toto Alphonse mba hotendrena tamin’io toerana io. Tsy tongatonga ho azy ny nahavoafidy in-telo miantoana an’ity komandan’ny Air Madagascar ity ho filoha mpitarika ny fikambanan’ny zanak’i Toamasina fa ao raha. Amin’ny faritra maro eto Madagasikara na any ivelany ihany koa dia maro no mahalala ny toetran’ity komanda ity izay mahay mifandray aman’olona noho ny fahatsorany saingy tsy ampy izany hisafidianan’ny filoham-pirenena azy. Rehefa nojerena tokoa mantsy ny mombamomba ny sasantsasany amin’ireo notendrena ho loholona ireto dia misy tokoa ny mahavariana. Raha ny maha mpikambana an’Atoa Betiana Bruno amin’ny Undd, ohatra, no noheverin’ny maro fa antony nisafidianana azy dia misy kosa ireo mihevitra fa noho ny maha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny seranan-tsambon’i Vohemar azy no nisafidianana azy. Toy izany koa Atoa Ahmad izay namana akaikin’ny senatera Kolo Roger izay olona akaiky ny filoha ihany koa no nisafidianana azy ary maro ireo mihevitra fa miara-miasa ihany koa izy ireo saingy tsy fantatra hoe amin’ny sehatra inona sy aiza marina ?

Légende :Pierrot Rajaonarivelo, anisan’ireo mpanao politika miditra garazy ao amin’ny antenimierandoholona (Tahirin-tsary)

 Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT