Politique

Fanendrena olona ambony Tena tsy ampy olona ny fanjakana…


  • Talata 21 Janoary 2020

Governora tsy voatendry, ambasadaoro tsy voatendry, minisitra tsy voatendry,…

 

 

Hita fa tena tsy manana olona ny fitondram-panjakana raha ny fanehoan-kevitry ny mpandinika Toavina Ralambomahay. Manaporofo izany ny mbola fitadiavana manampahaizana 1500 isa. Raha tsiahivina ny nambaran’ny filoham-pirenena, dia nialoha ny faran’ny taona 2019 ny fanendrena governora ambiny saingy mbola 11 ihany aloha hatreto no voatendry. Sora-bola ho an’ny faritra miisa 23 anefa no voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI 2020.  Tany amin’ny volana novambra 2019, dia efa nambara fa nomena 1,045 miliara avy ireo governora. Manao ahoana izany ny momba ireo faritra hafa tsy mbola voatendry ny governorany ? Efa misitraka ny anjara vola hoenti-manpandroso sa miandry ny governorany izay tsy voatendry hatreto ? Volabe hatrany amin’ny 5miliara ariary isaky ny governora iray anefa no hatolotra, ka ny 4 dia holaniana amin’ny fampiasam-bola amin’ny asa, ary ny 1miliara kosa ho an’ny fampihodinan-draharaha. Hatreto, mbola 22 ny faritra fa tsy 23, saingy efa io 23 io no voasoratra ao amin’ny LFI. Efa mihantra izany raha ny tokony ho izy satria efa manan-kery ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Raha ny antenimierandoholona, izay niteraka lonilony teo amin’ny fanjakana foibe sy io andrim-panjakana io ny fanapahana tetibola, dia tsy mbola niova ho 18 akory ny isan’ny loholona dia efa noboriana nanesorana hatrany amin’ny 20miliara ariary ny tetibolany. Hafahafa ihany ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana fa toa lasa alohan’ny omby ny sarety, raha dinihina ny zava-misy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT