Anaovan’ny Sehatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena (SEFAFI) eto Madagasikara fanakianana mivaivay indray ny fomban’ny fitondrana ankehitriny izay mitady haka eo am-pelatanan’ny vahoaka fototra na ny
fokonolona ny fahalalahana feno hisafidy ny olona hifehy azy ireo eny anivon’ny fokontany. Tsy dia re tsaika ny fizotry ny fametrahana ilay lalàna fa ny filankevitry ny governemanta ny 9 febroary 2016 no nandroso ny hevitra fa tokony hotendren’ny lehiben’ny distrika sy ireo prefen’ny polisy ireo sefom-pokontany fa tsy hofidian’ny vahoaka eny am-potony intsony. Ny filankevitry ny minisitra ny 17 febroary 2016 dia efa novakiana voalohany io volavolan-dalàna io.
Araka ny fanambarana izay navoakan’ny SEFAFI ny 12 martsa teo anefa dia tamin’ity fitondrana ity vao nofoanana tanteraka izany fahafahan’ny vahoaka eny amin’ny fonkotany hifidy ny olona hifehy azy ireo izany. Araka ny fehin-kevitra navoakan’ity fikambanana ity tamin’ny 28 martsa 2008 anefa dia ny fokontany no antoka fototra ifanakalozan’ny vahoaka ka tokony homen-kasina satria antoka voalohan’ny fampandrosoana. Noho ny tahotra ny tsy hahafehy ny fifidianana izay ho avy anefa, araka ny fandinihan’izy ireo, no mahatonga ny sefom-pokontany hotendrena izao. Raha ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampanjakana ny demokrasia izay takian’ny mpamatsy vola ihany koa anefa dia tsy mifanaraka velively amin’izao hevitry ny fanjakana Hvm izao. Ho hita eo izay ho tohin’ny tantara na hiroso na hihemotra ny filoha Rajaonarimampianina Hery sy ny tariny.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.