Manoloana ny mety ho fandikana ny zava-nitranga rehetra momba ireo Solombavambahoaka nambara fa maro an’isa tonga teny amin’ny
lapan’Iavoloha omaly, nanolotra ny anaran’ireo mpanao politika miisa 13 mba hisafidianan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery izay ho praiminisitra dia nanambara mazava ny solombavambahoaka Randrianarisoa Guy Rivo avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara fa tsy mandray anjara amin’io resaka fanendrena praiminisitra io ny antoko izay misy azy. « Tao anatin’ny fisavorovoroana no nanalana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ary mbola ao anatin’ny tontolo politika tsy misy fitoniana ihany koa no nanendrena ny solony ka aminay dia sarotra ny hinoana fa hahita fitoniana politika amin’izany ny firenena », hoy ny nambarany. Omaly antoandro tokoa mantsy dia nanambara ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa solombavambahoaka miisa 100 mahery no nanao sonia ilay taratasy nanolotra ireo anaran’ny mpanao politika hofidiana ho praiminisitra omaly teny Iavoloha. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena malagasy ny hoe 48 ora taorian’ny nanesorana ny praiminisitra dia nahangona sonia 100 mahery sahady ny solombavambahoaka ka nahazoana nanolotra ireny anarana 13 ireny amin’ny alalan’ny maro an’isa. Amin’ny andavanandro aza anefa amin’ny fotoam-pivoriana dia sarotra izany ahazoana solombavambahoaka miisa 100 mahery izany hanao sonia. Niova fo tokoa angaha ny solombavambahoaka.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.