Politique

Fanendrena ny Praiminisitra Nivadika resaka hafa mihitsy


  • Zoma 04 Aprily 2014

Miova endrika tanteraka indray izao ny tontolo politika manodidina ity fikarohana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanolorana ny anaran’ny praiminisitra ho tendren’ny filoha ity.

 Vondrona sady tsy MAPAR no tsy PMP indray izao no tafatsangana, hita ao anatin’io ny ankolafy Ravalomanana, MTS, Antoko Maitso, PATRAM, sy antoko hafa … Raha araka ny fanazavan’i Rolland Ravatomanga (ankolafy Ravalomanana) mpitondra tenin’ity vondrona ity omaly niara-nitarika ny firesadresahana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Colbert niaraka tamin’ny depiote Nicolas Randrianasolo (Mapar ary hijanona ho Mapar fa manohana ny filoha Rajaonarimampianina kosa) dia depiote mivondrona ka tonga maro an’isa no manolotra ny anaran’ny praiminisitra.

Mino ireto fikambanana vondrona politika vaovao ireto fa raha vao tafaverina ny filoha amin’ny sabotsy maraina dia hihaona amin’ireo filohan’antoko ary hanapa-kevitra haingana hanendry ny praiminisitra. Ho hita eo indray ny ho tohin’ity resaka ity satria raha ny zava-misy hatreto aloha dia miova isan’andro ny toe-draharaha ary samy manana ny fomba filazany ny tsirairay avy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT