Politique

Fanendrena ny PDS-n’i Toamasina I Voailika ny MTS, naka toerana roa i Brickaville


  • Zoma 20 Janoary 2012

Ela ny ela ka voatendry ihany ny PDS vaovaon’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra, taorian’ny fitokonana naharitra nataon’ny mpiasa maro an’isa.

 Rahampitso sabotsy no fantatra fa hapetraka amin’ny fomba ofisialy ireto delegasiona manokana ireto. Atoa Toalina Zafindrabary no PDS. Administratera sivily izy ary efa lehiben’ny Distrikan’i Toamasina teo aloha, avy amin’ny ministeran’ny atitany. Lefitra voalohany Atoa Laurent Jean Maurice avy amin’ny ministeran’ny fitsinjaram-pehefana ary Lefitra faharoa Atoa Pagny Ricky Dinh Van, filohan’ny TGV Toamasina I avy amin’ny prezidansa. Raha dinihina ireto PDS vaovao ireto, naka toerana ny Tatsimo satria ny PDS sy ny lefitra voalohany, dia samy avy ao Brickaville avokoa.

Tsapa ihany koa fa voailika ny MTS an’ingahy Roland Ratsiraka rehefa tsy tafaverina tamin’ny toerany intsony Atoa Belahy Paul Henri izay nitantana vonjimaika ny Kaominina hatramin’ny 30 desambra 2011. Niverina naka ny toerany kosa ny TGV na efa nangozohozo koa noho ny olan’ny Kaominina, tamin’ny alalan’ny Pagny Ricky Dinh Van izay efa PDS lefitra faharoa tamin’ny ekipan’ny PDS teo aloha. Hanao famindram-pitantanana ve ingahy Rakotovao Mariot, PDS teo aloha, sa hamalifaty ny tsy fanaovana izany teo aminy sy ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka Dr Rakotomanana Gervais ny jona 2009 ? Ho hita eo ny raharaha rahampitso.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT