Politique

Fanendrena mpikambana CT sy CST “Ataovy mangarahara !”, hoy ny vahoakan’ny Magro


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Hatreto aloha dia tsy mbola nisy nanome fanazavana ny amin’izay masontsivana nifantenana ireo mpikambana notendren’ny ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

“Tsy mila parachutage izahay !”, hoy ny solontenan’ny tanora. Anisan’ny nangatahin’ireo mpitolona moa ny hampahafantarana ireo rehetra voatendry ho CT sy CST hitsaran’ireo vahoaka azy tsirairay. Raha ny fanazavana dia nisy koa ny kitranoantrano sy ny namanamana atao anatin’izany fanendrena izany ka tsy azon’ireo vahoaka ekena. Ho azy ireo dia tsotra ny resaka, ny tsy handray baiko intsony raha tsy avy amin’ny filoha Ravalomanana. Takian’izy ireo fatratra, araka izany ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana satria tsy fantatr’izy ireo intsony ny tena marina sy ny lalan-kombana. Fomban-javatra ihany moa ny fisavorovoroana toy izao, indrindra efa telo taona no naharetan’ny tolona. Mitaky fahamailoana avy amin’ireo mpitarika, mitaky mangarahara ihany koa ary vaovao matetika sy mazava mba hisorohana ny tsy fifampatokisana.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT