Politique

Fanendrena minisitry ny mponina vaovao Nivaly 100% ny fangatahan’ny HAFARI


  • Talata 22 Novambra 2011

Azo ambara fa nivaly tamin’ny ampahany 100% ny fitakiana nataon’ireo fikambanana miisa 22 (Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano) mivondrona ao amin’ny firohotana HAFARI ny amin’ny tokony hametrahan’ny filohan’ny FAT fitokisana amin’ny fianakaviana Ramaroson amin’ny fanohizana ny asa efa natomboky ny minisitra Nadine Ramaroson fony fahavelony.

 Nilaza moa izy ireo tamin’ny alalan’ny filohany Rafanomezantsoa Nirina tamin’ny sabotsy teo raha nanao fanambarana somary henjakenjana ihany fa ny zavatra mampalahelo sy mahazendana eto amin’ny tantaran’ity firenena ity dia ny zavatra tenenina androany dia miova rahampitso. Nisy fampitana hafatra nivantana ho an’ny Filohan’ny tetezamita nataon’izy ireo tamin’izany nilaza fa «Malagasy ianao, nahita tsara ianao sy niaina tsara tamin’ny zava-bitan-dRtoa Nadine Ramaroson, ka aoka tsy hanao tsinontsinona izany !». Ny ministeran’ny mponina, hoy izy ireo aleo tsy hidirana mpanao politika fa fikatrohana momba ny sosialin’ny olona no ao ary nisy ezaka natao sy olona maty tao”.

Nisy fiderana manokana an’i Mamy Rakotoarivelo lehiben’ny delegasioan’ny ankolafy Ravalomanana koa tamin’io sabotsy io nataon’ny firohotana HAFARI ka nambaran-dry zareo fa nahafantatra tsara ary nahatsapa ny mahaza-dehibe an’i Nadine Ramaroson ary nanambara tamin’ny fanehoan-keviny fa tsy hiady amin’ny fianakaviany. Dia nihaino tokoa ny hafatra avy amin’ireto fikambanana ireto ny filohan’ny FAT satria voalaza teny Iavoloha omaly tamin’ny fanolorana an’ireo minisitra ho ao amin’ny governemanta Beriziky fa avy amin’ny tolotr’i Andry Rajoelina (filoham-pirenena ???) dia notendreny ho minisitry ny mponina Rtoa Vaomalala Olga izay fianakaviana akaikin’ny minisitra hosoloiny satria dia vadin’ny CST Alain Ramaroson. Nambaran’ny firohotana HAFARI fa efa niara-niasa tamin’izy ireo akaiky ity minisitra vaovao ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT