Politique

Fanendrena minisitra Nivoaka sempotra ny filoha sy ny praiminisitra


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Omaly maraina no nahazo fampiantsoana ny mpanao gazety fa mila tonga eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro fa hivoaka ny anaran’ireo mpikambana eo anivon’ny

 

 

 governemanta. Tamin’ny 5 ora sy sasany anefa vao nanomboka ny fotoana nanambarana ireo mpikambana 24 mianadahy ao anatin’ny governemanta Ntsay. Fantatra araka ny fikaroham-baovao fa efa tamin’ny 4 ora vao vita ny fivoriana manodidina ity fanendrena minisitra ity omaly maraina. Mialoha io fotoana omaly tolakandro io aza dia mbola maromaro ireo minisitra no niresaka manokana tamn’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra teny Iavoloha, ka izay no mety nahatara ny fanombohan’ny fotoana. Tazana teny amin’ny endriky ny filoha Rajoelina sy ny praiminisitra Ntsay omaly fa mafy ny asa natrehana ary mety tena nangotraka ny adihevitra, izay vao teraka ity governemantan’ny taona 2020 ity. Nisy mantsy ireo minisitra nesorina, tao koa ireo azo ambara hoe nilatsaka grady, satria nanesorana ny andraikiny, toa an’i Hajo Andrianainarivelo izay tsy hiandraikitra intsony ny Trano fonenana sy fanorenana tanàna fa nomena ny minisitra lefitra vaovao io departemanta hisahana ny resaka Tanamasoandro sy ny fananganana “building” io. Na dia efa nahoraka be aza ny hidirian’ny olona avy amin’ireo antoko politika dia tsy nisy izany fa manampahaizana sy teknisianina ny maro an’isa tamin’ireto minisitra ireto. Azo antoka fa henjana ny fifandresen-dahatra teo amin’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia politika aminy sy nanohana azy fony izy kandida, mba handeferan’izy ireo ka tsy nahatafidirany olona tao anaty governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT