Politique

Fanendrena minisitra Mivaro-tena ireo depiote


  • Zoma 15 Aprily 2016

Nanolotra anarana Solombavambahoaka mba hatao minisitra ny eny Tsimbazaza ankoatra ireo efa natao minisitra tamin’ny governemanta Kolo Roger sy Ravelonarivo Jean.

 

 Tsy tazana ao amin’ny foto-kevitra nentina nanohanana ireto depiote tiana hatao minisitra ireto mihitsy ny mety ho anjara biriky hoentiny hampandrosoana ny firenena amin’ny asa izay mety hataony fa ny narangaranga voalohany dia ny hoe mamim-bahoaka any amin’ny tany misy azy ireo matoa lany Solombavambahoaka ka azo antoka fa hanome vato hahalany ny filoham-pirenena ankehitriny indray amin’ny fifidianana manaraka. Fitaka bevava fotsiny anefa no tena marina satria maro tamin’izy ireo no lany tamin’ny hala-bato ka tsy azo hamaritana ny fitiavan’ny mpifidy azy ny fahalaniany. Misy indray ireo efa natao minisitra teo fa tsy nisy napoaka fa nanao rapa-dango ny volam-bahoaka sy variana amin’ny karazana kolikoly  fotsiny. Saika afa-baraka mihitsy moa ny niafarany satria saika hanaovan’ny tale tao amin’ilay minisitera fametraham-pialana faobe. Ny sasany indray efa tsy mahita fahombiazana amin’ny fitantanany ny orinasam-panjakana izay tena anisan’ny tokony hamokatra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana saingy bokan-trosa dia tsy tafarina dia izao indray fa mitomany te hatao minisitra. Lasa hadedahana sanatria, ilay hanao minisitra fa tsy tsapa intsony hoe misy adidy sy andraikitra andrasan’ny vahoaka an-tapitrisany anie ao. Noho ny fitadiavana toerana dia lasa manao fanambarana sy manao fitsidihana am-panajana mba hiseho an-gazety avokoa ny mpitady toerana rehetra. Raha tsy misy ny fiovana dia anio tolakandro no hivoaka ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovaon’i Mahafaly Olivier Solonandrasana

 

Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT