Politique

Fanendrena minisitra Farafahatarany amin’ny zoma izao


  • Talata 28 Janoary 2020

Efa nametraka ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy hosoloina ny mpikambana ao anatin’ny governemanta.

 

 

 Raha tsiahivina, anisan’ny fanamby napetrany nialoha ny nanendrena ireo mpikambana rehetra ny famolavolana ny minisitra tsirairay avy ny programanasa manokana izay mifehy azy amin’ny fanendrena ny asam-pampandrosoana tiana hapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena. Manaiky ny filoha fa misy ny minisitra izay tsy maharaka ny hafainganam-pandeha tiana hapetraka eo amin’ny fampandrosoana ka tsy maintsy handraisana fepetra manokana. Anjarany no mamaritra izay olona hitany sy fantany fa afaka manatratra ny vina napetrany. Andrasana hatrany ny masontsivana napetrany na teknisianina na politika. Hisokatra ho an’ny hery politika rehetra sa izay mitovy firehana aminy ihany ? Olona manampahaizana sy hiasa ho an’ny vahoaka no andrasan’ny rehetra amin’izay handrafitra ny governemanta. Tsy vitan’ny manampahaizana eo ambony latabatra ihany koa anefa. Andrasana amin’ity herinandro ity ny hisian’ny fanendrena indray ireo handrafitra ny governemanta vaovao taorian’ny fe-potoanan’ny herintaonan’ny fifanarahan’ny filoha Rajoelina sy ny mpikambana teo anivon’ny governemanta tamin’ny 24 janoary lasa teo. Mbola Ambatobevohoka tsy mety teraka mandraka androany ny governemanta vaovao. Samy miandry ny rehetra manoloana ity raharaham-pirenena ity. Amin’ny ankapobeny, tombanan’ny maro fa anton’ny fanemorana ny anaran’ny mpikambana vaovao ny voinam-pirenena mahazo an’i Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT