Fanendrena lehiben’ny faritra

> Diso fananatenana ny vahoakan’Anôsy


  • Talata 13 Aogositra 2013

Nandiso fanantenana ny vahoakan’ny faritra Anôsy ny fanampahan-kevitra noraisina tamin’ny Filankevitry ny minisitra farany teo.

Nisy fanesorana amin’ny toerany sy nanoloana avy hatrany lehiben’ny faritra niisa fito. Na dia efa nahoraka aza fa isan’ireo hesorina ny lehiben’ny Faritra Anôsy, Randriantefiarison Guillaume Venance, dia mbola voatana amin’ny toerany izy. Manao ranolava ankehitriny ny tsikera sy ny fanankianana ary ny fitakiana ny hanesorana azy. Grevy, fidinana an-dalam-be, tsy fandriampahalemana, fihemoran’ny asa fampandrosoana no manamarika ny fitondrany. Nilaza Rtoa Zafinandro Perle Fourquet, filohan’ny hetsika Fagnomba, fa ny fanesorana tamin’ny toerany ny lehibeny faritra Anôsy ihany no vahaolana hampisy fiovana sy fampandrosoana ny Faritra Anôsy. Nanamafy izany koa Atoa Tanjaniana Juliot Pierrot. Nilaza izy farany fa efa niara-niasa akaiky tamin’ny lehiben’ny Faritra ny tenany. Raha miova ny mpitantana, mety hiarin-doha amin’izay ny toe-karena sy ny tontolon’ny sosialy ao Anôsy, hoy izy.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT