Maninona no mihitsoka be tahaka izao ny fanendrena ireo masoivoho ambiny, ankoatr’ireo efa natao ?
Mifototra amin`ny lafiny ara-toekarena miaraka amin`ny fampandrosoana ny diplaomasia Malagasy. Mibosesika be mihitsy ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny hatramin’ny nijoroan’ny fitondram-panjakana ara-dalàna vaovao kanefa toa mitarazoka ny fanendrena ireo olona hisolotena ny Malagasy sy ny filoham-pirenena any ivelany. Vao nandray fitondrana ny filoha Rajoelina dia ambasadaoro sy kaonsily maromaro no nampodiana an-tanindrazana. Laharam-pahamehana ny fanendrena ambasadaro amin`ireo masoivoho any ivelany satria fototry ny diplomasia ny arofenitra, izay mahasarotiny ny any ivelany sady voalazan`ny fifanarahana Vienne (convention de Vienne). Mahavita azy ve ny any sa inona ny antony ? Misy masontsivana manokana ve ireo kandida mpifaninana amin’ny toerana ambasadaoro ? Manana sekoly ambony mampiofana ny diplaomasia isika eto Madagasikara kanefa hatramin`izay, fanapahan-kevitra politika ny fanendrena azy ireo. Mifototra amin`ny lafiny ara-toekarena miaraka amin`ny fampandrosoana ny diplaomasia Malagasy. Azo adika ho fahavoazana lehibe ihany io fitarazohan’ny fanendrena ireo ambasadaoro mpiaro ny tombontsoan’i Madagasikara any amin’ireo firenena mpiara-miasa io. Tsy hisongadina mihitsy mantsy ilay diplaomasia manome lanja ny sehatra ekonomika sy ny fampandrosoana satria mitanila tsotra izao ny fifanakalozana. Saropady tokoa ny diplaomasia raha voafehy, saingy io koa no hilalaovan’ny vahiny antsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.