Manao tohivakana ankehitriny ireo mpanao politika tonga manatitra ny antotan-taratasiny eny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra amin’ny fitiliana ny sezan’ny Senatera ho hatolotry ny filoham-pirenena Malagasy.
Raha tazana teny an-toerana afak’omaly ny antoko Tamami na ny « Tanora malagasy mijoro » notarihan’ny kandidàny dia ny filoha nasionaliny Samihary Floriot izay mitonona ho antoko mpanohitra ankehitriny dia nandimby azy ireo kosa ry zareo avy ao amin’ny Fedep nahitana ny kandidà sady filohan’ny fikambanana Rakotomalala Henri sy ny kolonely Charles Randrianasoavina mpiara-dia aminy. Izy ireto kosa dia mpanohana marindrano ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary mihevitra fa herijika ho azy ireo sady rariny sy hitsiny ihany koa ny tokony hanendren’ny filoham-pirenena ho Senatera azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.