Nangingina tato ho ato ny resaka fanendrena governora izay efa ambetin-kabarin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, teo aloha teo.
Raha jerena ankapobeny ny tantaran’izany atao hoe governora ho an’ireo firenena ahitana sy efa nahitana ity rafitra ity toa an’I Filipinina sy Meksika, ohatra, dia azo lazaina ho karazana filoham-pirenena kely mihitsy izany ao amin’ny faritra izay misy azy. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe sanatria ho fitaovana entina hampisara-bazana ve izy ity? Antony mahatonga ny ahiahy ny fahatsiarovana ny resabe nateraky ny fikasan’ny filohm-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, ny antsoina hoe faritany mizaka tena tamin’ny fotoan’androny. Inona tokoa moa no olana amin’ny hoe “Lehiben’ny faritra” na “Filoham-paritra”? fa nahoana no “govenora” no voambolana nampiasaina.Sao dia paikady hananganana firenena anaty firenena izy ity? Zava-misy iaraha-mahalala hatramin’izay fa isan’ny fahalemen’ny Malagasy ny tsy fahazakany fahefana. Na ireo mpiandry toeram-pivoahana sy toeram-patsakana ka hatramin’ny mpiandry vavahady aza mahay manampatra izany eto amintsika ka maika moa fa izay mahazo izany toerana mankadiry izany? Ireo omena io toerana io anefa ampoizina ihany fa tsy maintsy ho ireo goaika antitra politika raha ny resaka heno mandeha hatreto; ka hampirindra ny asa fampandrososna sy hampilamina tokao ny firenena ve izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.