Politique

Fanendrena governoram-paritra Nangataka ny hevitry ny HCC i Rivo Rakotovao


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Mbola mipetraka adihevitra taorian’ny fanendrena ny governoram-paritra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny repoblika

 

 

 

nametrahana ny governoram-paritra miisa 11 tamin’ny 25 septambra lasa teo nandritra ny filankevitry ny minisitra. Na ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Jean Eric Rakotoarisoa, aza tsy sahy naneho ny heviny mahakasika iny fanapahan-kevitra iny raha manaraka ny voalazan’ny lalàmpanorenana tokoa na tsia fa nilaza manana ny atao hoe « droit de réserve » izy ireo ka tsy afaka manome ny valiny. Araka izany, nangataka izay hevitry ny HCC raha toa ka araka ny lalàna ny fanendrena governora, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, izay zony amin’ny maha filohana andrimpanjakana azy. Hangataka ity filoha ity raha toa ka araka ny lalàna no namoahana ny didim-panjakana manendry ireo governora miisa 11. Andrasana ihany koa aloha ireo governora 12 ambiny. Fangatahana fanazavana faharoa teo amin’ny HCC ity nataon’i Rivo Rakotovao ity satria efa nangataka tamin’ny saika nanesorana ny loholona Randriambololona Mananjary izay saika nesorina tamin’ny maha loholona sy filoha lefitry ny Antenimierandoholona azy saingy nolavin’ny HCC tamin’ny didm-pitsarana navoakany tamin’ny 6 novambra lasa teo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT