Politique

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

 


Haut du formulaire

Bas du formulaire

  Araka ny fantatra, tsy mbola vita ny sivana sy ny fandraisana an`ireo kandidà maniry ny ho eo amin`ny toeran`ireo governora isam-paritra miisa 12. Olana iray mitoetra eo amin`ny fanendrena an`ireo governora ireo ny fitadiavana olom-baovao manana traikefa amin`ny fitantanan-draharaha. Raha ny andiany voalohany mantsy dia saika olona efa fantatra eo amin`ny tontolo politika avokoa ny ankamaroany ary akaiky amin`ny filoham-pirenena. Ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana moa dia nanizingizina fa tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenana. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy  eto amintsika. Raha ny tena izy dia anjaran’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) io ka tokony hilaza ary tsy maintsy hilaza izy. Mazava tokoa ny voalazan`ny lalàmpanorenana. Raha miteny ny filoham-pirenena fa vonjimaika io dia aiza ny andinin-dalàna milaza fa azo atao an’izany io ? Araka ny andininy faha-154, ao amin’ny lalàmpanorenana dia tsy maintsy ny vahoaka no mifidy ny lehiben’ny faritra. Izany hoe, solontenan’ny vahoaka izy fa ny governora dia tendrena ary solontenan’ny filoham-pirenena sy ny governemanta. Iny fanendrena governora iny dia mampisavorovo ireo vahoaka tsy mandady harona ho hararaotina amin’ny tsy fahaizany lalàna. Voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana ve ilay 1 miliara ariary omena ireo governora hanesorana azy afaka 1 taona raha tsy hahavitany na inona na inona ? Hatao fafikatrana toy izany ve ny volam-bahoaka ? Raha ny loharanom-baovao azo dia miandry ny fankatoavan`ny HCC ny fanendrena ny andiany faharoa saingy maro no manana ahiahy amin`ity andrim-panjakana ity.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT