Politique

Fanendrena governora “Ny lalàna nampiharina tamin`ny taona 2005 no tohizana”


  • Zoma 27 Septambra 2019

Nisy didim-panjakana roa goavana nivoaka tamin`ny filankevitry ny minisitra.

 

 

 

 Voalohany, didim-panjakana mamaritra ny fametrahana ny governoram-paritra hitantana ny lehiben`ny fahefana mpanatanteraka eo anivon`ny faritra. Io didim-panjakana  io koa no mamaritra ny andraikitra iantsorohan`io governoram-paritra io. Faharoa, ny fanendrena ireo governoram-paritra 11 amin`ireo faritra 22. Miainga amin`ny lalàna fototra amin`ny fitsinjaram-pahefana 2014-020 isika, hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna. Mahakasika ny “ressources” io lalàna io, indrindra ny famaritana ny fahefana sy ny fifidianana ary voalaza ao amin`ny And, faha-58. Raha manaraka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna 2014-020 dia jerentsika manoloana ny didim-panjakana roa, ka hita fa tsy miova ny fototra hametrahana ny faritra hizara roa (Organe deliberant et fonction executive), hoy ity mpahay lalàna ity. Voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana fa anjara asan`ny didim-panjakana no manazava bebe kokoa ny ao anatin`ny lalàna. Voalaza ao anatin`ny didim-panjakana ny sori-dalana  tokony hoentin`ny governora, ny adidy sy andraikitra iantsorohany, ny fahefany… Porofon`izany dia nomena 1 miliara ariary ireo lehiben`ny faritra amin`ny fanatanterahana ny asa eny ifotony… ka hiaraka amin`ny fanjakana hitantana ny programa fampiasam-bolam-panjakana (PIP). Midika izany, hoy Imbiki Herilaza, fa izay ilay fampandrosoana ifotony amin`ny fanomezan-danja ny faritra tantanan`ny olom-baovao mba hahafahana mahita fampandrosoana mipaka any amin`ny vahoaka.

Olana : misy ny lehiben`ny faritra fa voafetra ny fahefana. Ny fanjakana foibe no mitantana ny sora-bola, ny adidy sy andraikitra dia voafetra tamin`io lalàna io. Manamafy, manazava ary mamelatra bebe kokoa no natao tamin`ireny fanapahana ireny. Miteraka resabe ny fanendrena governora fa tsy nofidiana. Nanambara izy fa hatreto mbola misy ny lalàna nampiharina tamin`ny taona 2005 ka mbola notohizana hahafahana mametraka tsara ny fifidianana dia olona tendrena no mipetraka eo. Ao anatin`ny tetiandrom-pifidianana ny CENI dia mbola ny fifidianana kaominaly no atrehina, izay fifidianana roa sosona. Sarotra raha mbola ampiarahana amin`io ny fifidianana governora sy mpanolotsain`ny faritra. Aleo hisy fandaminana tsara mba hisian`ny fanatsarana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT