ny andininy faha-325 amin’ny lalàna lah 2014-020 ny 27 septambra 2014 no ampiharina dia ny lehiben’ny Faritra no mitana ny anjara andraikitry ny mpanatanteraka eny anivon’ny Faritra ary « governora » no iantsoana azy ankehitriny, araka ny nambaran`i Rina Ranaivo-Harisoa, mpahay lalàna sady mpandinika ara-politika.
Mitovy tanteraka amin’ny asan’ireo lehiben’ny Faritra ny asan’ireo governoram-paritra, araka ny andininy faha-51 hatramin’ny faha-60 ao amin’ny lalàna n°2014-020, momba ny fidiram-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny mahakasika ny fifidianana azy ary ny fitsinjaran’asa sy ny fomba fiasa eny anivon’izy ireny. Tsara tsipihina anefa ny tsy fisian’ny voambolana hoe : « governora » ao anatin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Mazava, araka izany, fa sady tsy eken’ny lalàmpanorenana no tsy hita na aiza na aiza any anatin’ny karazan-dalàna misy ny momba ny governora. Raha ny lôjika dia tsy mifanohitra amin’izay mety ho lalàna misy ny fanendrena» an’ireo governora saingy ny andininy faha-154 amin’ny lalàna fototra momba ny Faritra dia milaza fa « ny rafitra tantanan’ny lehiben’ny Faritra, lany tamin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara no mitana ny andraikitry ny mpanatanteraka ». Raha adika izany dia tokony hofidiana izy ireo. Olom-baovao ao anatin’ny fitantanana an’i Madagasikara ny governora. Tsy azo odian-tsy hita anefa fa nandritra ny Repoblika fahatelo sy nandritra ny 5 taona voalohan’ny Repoblika faha-4 dia efa notendrena foana ny lehiben’ny Faritra. Raha ny tena marina izany dia manaraka fotsiny ny efa nataon’ny teo aloha ny fitondrana ankehitriny, hoy hatrany fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.