Politique

Fanendrena governemanta Minisitra dimy no indray tsy tonga


  • Talata 22 Novambra 2011

Na dia noheverina fa handeha araka ny tokony ho izy aza ny fanendrena ny governemanta izay notanterahana omaly teny Iavoloha, dia nisy ireo tsy nanoina ny antso.

Avy amin'ny vondron'ny mpanohitra ihany izy ireo izay nisy an'i Hanta Randriamandrato (fiompiana), Olga Ramalason (varotra), Roland Ravatomanga (fambolena) izay samy avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana ary Tabera Andriamanantsoa (asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy) sy i Marcel Bernard (solika) avy amin'ny ankolafy Zafy Albert. Raha ny fantatra dia tsy nankasitrahan'ny vondron'ireo mpanohitra ny nananganana ny governemanta tamin'io omaly io ka nangataka ny hanemorana azy aoriana kely izy ireo. Tsy nanaiky anefa ny teo amin'ny fitondrana fa nidrikina, ka dia nanaja ny foto-kevitry ny ankolafy sy ny vondrona nisy azy ireo minisitra tsy nanoina ny antso.

Mbola voatazona tamin'ny toerany kosa ny minisitry ny fitsarana, Christine Razanamahasoa, izay nanambara fa andriamanitra no tompon'ny fandaharana, ary izy rahateo ao anatin'ny SMM ka tsy tokony hahagaga ny fihazonany ny toerany. Nangataka ny olona avy ao aminy mantsy ny SMM, ka izao izy izao ihany no voatendry. Voatazona ihany koa i Pierrot Rajaonarivelo saingy nanjary naka ny fitantanana ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Nambarany ho tanjona ny fikatsahana ny fankatoavana iraisam-pirenena, saingy iarahana amin-dry zareo Troïka sy SADC ny drafitra amin'izany. Eo ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fanapahan-kevitra aorian'ny fihaonana sy fiaraha-miasa amin'ny CPS amin'ny Vondrona Afrikanina. Ny an'ny praiminisitra Beriziky kosa dia hentitra ny lehilahy nanambara fa ny fisian'ny solontenan'ireo firenena maro samihafa fotsiny dia efa midika fa eken'izy ireo ny hirosoantsika amin'ny lalindalina kokoa. Notsindriany fa mbola dingana mantsy ity lalovana sy vitantsika ity, ka ho hita eo ihany ny mety ho tohiny.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT