Politique

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Kihon-dàlana iray lehibe hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy azo lavina fa ny “TIM.K25”

 

 

 

 

 no tena afaka mametraka an’io amin’ny alalan’ny fakana ny maro an’isa, raha ny jerena amin’ny fifidianana filoham-pirenena teo. Mila mahazo maro an’isa ny TIM sy ny K25, izay efa navadika ho vovonana hanamafisana ny hery. Fifidianana manakaiky vahoaka io, ary soso-kevitra mandeha avy eny ifotony na ny “base” ny fakana ny hevitry ny mpikatroka amin’ny fandrotsahana kandida. Eny rahateo no mahalala tsara ny zava-misy sy ny olona heveriny fa mety hahasolo tena azy eny amin’ny antenimiera. Amina distrika iray dia mety hisy olona maromaro mihevitra ho kandida, ka zavatra iray azo atao ny fanaovana fifidianana savaranonando, izay tsy tokony hampiparitaka ny mpiara-dia anefa fa izay tafavoaka eo no iaraha-manohana fa tsy hoe: izay tsy lany dia handeha hanao kandida tsy miankina. Zava-dehibe sy tokony hifampierana ny fandrotsahana olona, mba hisorohana ny tsy fitovian-kevitra na eo aza ny mety hisian’ny kandida avy any ambony izay mila ampahafantarina ny eny ifotony izay tsy toherina velively fa mila fifandresen-dahatra kosa, hoy ny soso-kevitra. Raha ho an’ny TIM manokana, dia tsy afaka ny hanao kinanga fa mila mampijoro olona tena vonon-kandresy. Toerana anisan’ny hanjakan’ny TIM ny eto avovoan-tany. Eto Antananarivo Renivohitra, Antsimondrano, Avaradrano,… dia mila malina tanteraka satria eto no mety ho taratry ny fifidianana hatrany amin’ny ben’ny tanàna, hoy hatrany ny eny ifotony. Miketrika mafy ny antokon’ny fitondrana, ary tsy hitsitsy fa hanao izay ho afany. Mila fifanarahan-tsaina, teny ierana miampy fifanohanana ary fifandeferana io, fa tsy ny kandida mety efa tsy nahomby no teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza harotsaka, izay mety hiteraka fahakiviana ho an’ny mpifidy. Ny rafitra mikarakara ny fifidianana efa mahakivy azy, ka raha ny kandida no mbola ho ratsy ny fisafidianana azy, dia hitombo ny fahakiviana mety hampihena ny taham-pandraisana anjara sy hampalemy ny antoko na hampizarazara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT