Nisoko mangina tany ny raharaha manodidina ireo fandrobana nitranga tamin’ny “Alatsinainy Mainty”, 26 janoary 2009 ary dia zava-doza no fitrangany ankehitriny.
Re mantsy izao fa nogiazan-dry Belza ny fananan’ny firenena Malagasy any ivelany, toy ny vola any amin’ny banky any Belzika sy Frantsa, ny trano fonenan’ny mpianatra Malagasy any Cachan Frantsa sy ny sisa vokatry ny raharaha izay nampifanolana ny orinasa Polo Garments Madagascar (PGM) sy ny tranom-piantohana Ny Havana. Raha hiverenana ny tantara dia, ny tranom-piantohana Ny Havana no nisahana ny fiantohana ny orinasa PGM tany Mahajanga ary “assurance multi risque” no nifanarahan’ny roa tonta tamin’izany. Nandritra ireny fandrobana manara-penitra tamin’ny 26 janoary 2009 ireny anefa, dia may sy nisy nandroba io orinasa io. Noho ny fisian’ny mpiantoka, dia nitaky ny zony tany amin’ny tranom-piantohana Ny Havana ny PGM ary niakatra fitsarana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Mahajanga ny raharaha tamin’ny 20 oktobra 2010. Nivoaka ny didim-pitsarana fa tokony handoa onitra 14 miliara Ariary mahery amin’ny orinasa PGM ny tranom-piantohana Ny Havana. Mbola nohamafisin’ny fitsarana ambony io didy izay navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany io, satria tsy afa-po tamin’ny didy izay nivoaka ny tranom-piantohana Ny Havana tamin’ny taona 2011. Tao aorian’izany dia nikasa ny hanatanteraka ny fampiharana io didy nivoaka io ny orinasa PGM, kanefa teo no nitranga ny olana, satria nambaran’ny mpanolotsainan’ny praiminisitra omaly nandritry ny valandresaka izay nataony ho an’ny mpanao gazety fa nisy fisandohan’andraikitra tamin’ny fampiasana ny anaran’ny «Direction de la Législation et du Contentieux» mba hanakanana ny fampiharana ilay didy izay efa nivoaka.
Nanomboka teo dia nihazakazaka ny raharaha satria tsy nijanona teo amin’ny orinasa tsy miankina roa intsony no nifanolana, fa nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny delegasionan’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara sy ny masoivohaon’ny firenena Belza ary ny governemanta Belza, satria teratany Belza no tompon’ity orinasa PGM ity. Nihitatra hatrany ampitan-dranomasina ilay raharaham-pitsarana ka nivadika ho ny fanjakana Belza indray no mitory ny fanjakana Malagasy ary ny tena zava-doza dia izao niafara tamin’ny fanagiazana ny fananan’ny firenena Malagasy any ivelany izao mihitsy. Mba tsy hitaran’ity raharaha ity ho zavatra hafa, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Beriziky Jean Omert ka nandefa taratasy tany amin’ny minisitry ny vola sy ny minisitry ny fitsarana mba hitady vahaolana haingana satria tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana hoy izy saingy… tsy nisy valiny izany hoy hatrany ireto mpanolotsainan’ny praiminisitra ireto.
«Nivadika mihintsy ary ny resaka, ka novoizin’ny sasany tamin’ny haino aman-jery fa ny praiminisitra no miaro sy mampirisika ny firenena Belza hanao ny fanagiazana ny fananan’ny firenena Malagasy any ivelany», hoy hatrany ireto mpanolotsainany ireto ka “tsy hanaiky ny hangina intsony izahay manoloana ny fanosoram-potaka atao amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta”. Ny andraikiny voalazan’ny lalàna no notanterahiny, satria anjaran’ny praiminisitra no manara-maso ny fampiharana ny didim-pitsarana, hoy ireto mpanolotsaina ireto, ary novakian’izy ireo ambatolampy mihitsy omaly fa «nisy fotoana efa vonona ny hanefa tsikelikely io onitra izay nangatahan’ny orinasa PGM io ny tranom-piantohana Ny Havana, saingy misy tompon’andraiki-panjakana ambony mitaky ny hanomezana azy ny ampahany amin’izany vola izany». Voaporofo indray ankehitriny, fa tena mihenjan-droa tokoa ny tady amin’izao fotoana izao eo amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo, ny vahoaka anefa etsy an-kilany… miesona. Dia mba ahoana koa ny amin’ireo orinasa gasy lasibatra tamin’ireny fotoana ireny ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.