Vao nigadona an-tanindrazana ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ny alahady lasa teo dia manomboka mivoaka indray ny dosie resaka famatsiam-bolan’ny fandrobana lehibe ny 26 janoary 2009 sy ny fitifirana teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 eny amin`ny tambajotra sosialy eny.
Mitentina 12,2 miliara ariary ny vola nentina namatsiana ny fanonganam-panjakana raha araka ny antontan-taratasy miparitaka etsy sy eroa. Maro be ny anaran`olona voatonontonona amin`ireo raharaha ireo ka tafiditra hatramin`ny teratany frantsay sy karana izay anisan`ny matanjaka eto Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy ny fanapariahana indray io dosie io fa fomba iray hanalefahana ny mety ho hery politikan’ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Amin’ny ankapobeny aloha dia voafatotry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 tanteraka izy. Tsara ny manamarika fa ny fanonganam-panjakana dia mifandaka amin'ny lalàmpanorenana sady voararan'ny lalàna iraisam-pirenena. Toy ny vain’afo eo an-tampondohan’i Andry Rajoelina ny raharaha 2009 ary maro ireo manana antontan-taratasy, horonam-peo sy rakitsary mety tena hanahirana azy tanteraka rehefa tena avoaka tokoa. Mahafantatra tsara ny zavatra nataony teto i Andry Rajoelina, ary amin’ny maha mpanao politika sy olon’ny serasera azy dia azo antoka fa efa nitady ny hevitra hiatrehana ny mety ho fanenjehana sy fanakianana azy izy. Ho ampy hiarovany tena anefa ve izany, manoloana ny rodorodo be ataon’ny HVM hanapotehana azy ? Re fa misesisesy ireo fivoriana iarahan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha amin’ireo mpanao politika mpiara-dia aminy izay efa tena nihena ny isany sy ireo komity mpanohana azy isan-karazany mba hiatrehana io antsojay sy fanapotehana io izay tena azo antoka fa hihamafy aorian’ny mety hanambarany amin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.