Politique

Fandrobana eto an-drenivohitra Zanaka mpanao politika no mikononkonona azy ?


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, indrindra fa eto Antananarivo Renivohitra. Mandeha ny feo ankehitriny fa misy mikononkonona fandrobana toy ny tamin’ny taona 2009 indray.

 

       Zanaka mpanao politika iray nalaza tamin’ny andron’ny Tetezamita no voatonona fa mikononkonona izany, araka ny feo mandeha. Tsilian-tsofina no nahalalana fa efa manangona vatan-dehilahy na “gros bras” maro eto Antananarivo io olona io ka ireo no hitarika ny fandrobana kasaina hatao. Mampametra-panontaniana izany feo mandeha izany hoe : misy ifandraisany amin’ny fanambarana nataon’ilay vondrona Mitsangana ry Malagasy izay olon’ny Tetezamita no ankabeazany ve ity resaka ity ? Mety efa manana loharanom-baovao ny amin’izany ny fitondrana ka hanetsehana ireo miaramila marobe eran’ny tanàna, izay feno n’aiza n’aiza aleha. Mbola samy miandry izay havoaky ny ampitso ny rehetra. Ny mampalahelo amin’ny toe-draharaha toy izao fotsiny dia ny vahoaka no mahita faisana. Samy miandry ny ho tohiny ny rehetra fa ny irariana dia enga anie mba tsy ny vahoaka efa mandohalika sy milomano ao anaty fahantrana no mbola ho sorona indray.                                                                                                                                

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT