Politique

Fandriana, Ambositra… Manantena an’i Dada ny vahoaka


  • Alatsinainy 13 Febroary 2017

Na tany Fandriana na tany Ambositra na tamin’ireo kaominina sy fokontany nolalovany tamin’ny RN7 sy tao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa dia nihaona sy niresaka mivantana tamin’ny vahoaka hatrany i Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo.

  Resaky ny samy olom-pirenena sady resaky ny zanaka sy ny ray aman-dreny ihany koa anefa. Mbola tena mandray an’i Dada ho mpiaro azy sy ho filoham-pirenena ny ankamaroan’ireo olona nitafa taminy. Izy no nitantaran’ny olona sy nitarainan’izy ireo ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Tena nahita mivantana i Marc Ravalomanana ary nahatsapa ny fahoriana mianjady amin’ny malagasy, izay rahateo no anton’ny fitsidiham-paritra ataony, tsy sanatria hampandry adrisa sy hanapi-maso amin’ny fizarana fanomezana fa hanadihady ny zava-misy marina mba hahafahana manolotra vahaolana haingana, mahomby sy mahasoa ny Malagasy. Mbola mamy hoditra amin’ny Malagasy ity filoham-pirenena teo aloha ity izay tsy mila kortezy na mpiambina am-polony amin’izay alehany n’aiza n’aiza eto Madagasikara fa tena mifangaro amin’ny olon-drehetra ary mahay mihaino sy mifanakalo hevitra mivantana amin’izy ireo. Mbola tena manam-pitokisana amin’i Dada ny Malagasy maro, izy rahateo efa nilaza fa kandida amin’ny 2018 koa dia datim-pifidianana sisa andrasana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT