Politique

Fandriampahalemana Niova ny minisitry ny filaminam-bahoaka


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Nandritra ny fanononana ny minisitra vaovao omaly teny Iavoloha, ny mpiandraikitra ny miaramila sy ny zandary nijanona ao anaty governemanta fa ny minisitry ny filaminam-bahoaka no niova.

 

 

Ity farany, ny Contrôleur Général de police Fanomezantsoa Roddelys Randrianarison izay efa mpiandraikitra ny mpiasa na ny direction des resources humaines nandritra ny tetezamita teo amin’ny ministera. Midika izany fa mitaky ezaka ny fandriampahalemana an-tanàn-dehibe. Tsy nahomby izany ny ezaky ny teo aloha mikasika ny fanatonana ny vahoaka matoa tsy afa-panadinana tamin’ilay fifanekena amin’ny asa napetraky ny filoha na ny « contrat-programme ». Tsy azo lavina aloha fa lasa faritra mena tanteraka Antananarivo raha mitaha ny teo aloha. Nahazo vahana koa ny varotra rongony sy ny zava-mahadomelina. Feno manenika ny tsena, hatreny Analakely ny kolontsaina fanahiniana apetraka mikasika ny rongony izay ahitana ireo fitafiana na famantarana misy ny sarina rongony amidy etsy sy eroa. Etsy an-daniny anefa tsy azo lavina fa mirongatra koa ny asan-dahalo any ambanivohitra izay mitaky ezaka amin’ireo jeneraly roa mpiandraikitra ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay samy mbola voatana amin’ny toerana.

HN

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT