Naneho hevitra momba ny toe-javatra maro eto amin’ny firenena ny CRAM (Cercle de Refléxion pour l’Avénir de Madagascar).
ka anisany ny momba ny filaminana. Tena mampikaikaika ny olom-pirenena manerana an’i Madagasikara ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Mety hanatsara ny filaminam-bahoaka ny fandraisan’ny fokonolona andraikitra amin’ny « Vaomieran’ny filaminam-bahoaka sy ny hetra » eo anivon’ny Antenimieram-pokonolona, hoy ny CRAM. Homena fiofanana ireo mpikambana amin’izany. Hisy vavahady fidirana isaky ny tanàna ary eny ny mpitandro filaminana no miasa amin’ny alina. Efa fantatra ny toerana hametrahana izany manerana an’i Madagasikara. Hisy fitaovana hampidirana ilay “kara-panondrom-pirenena biometrika”, ka avy hatrany dia fantatra ny olona mivezivezy amin’ny faritra iray. Hisy ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny zana-bolana. Mitsipaka marin-drano ny fandravana ny zandarimariam-pirenena ny CRAM na dia misy aza ny fanehoan-kevitra. Hampitombo isa ny dahalo ve ireo zandary miisa 13 000 manerana ny Nosy ary ho very asa fivelomana ? Sa halefa hisotro ronono avokoa ? Ekena fa mbola mametraka ny endriky ny fanjanahantany ny fisian’izy ireo fa tsy maintsy hijerena vahaolana miaraka. Soso-kevitry ny CRAM nandritra ny “Séminaire national sur la réforme du secteur de la sécurité », tao amin’ny CCI IVATO ny 14 ka hatramin’ny 17 oktobra 2015 ny hanambarana ho iray ny mpitandro ny filaminana Malagasy ka ny tale jeneralin’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny minisiteran’ny atitany no mibaiko azy. Tsy mbola ampy ny mpitandro ny filaminana eto amintsika. Mila polisy 23 700 isika vao tratra ny fenitra. Mitaky Sata vaovao izany satria avy dia misahana ny tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra izy ireny ary manana paikadim-pirenena vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.