Politique

Fandrarana ny filoha Ravalomanana tsy hiverina «Fihantsiana ady mivantana amin’ny Malagasy», hoy ny GTT-IDF


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Nakaton’i Andry Rajoelina ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny sabotsy 21 janoary 2012 mba tsy ahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana nody teto an-tanindrazana io andro io.

 Melohinay tanteraka izany fihetsika izany, hoy ny GTT-IDF, satria mampiseho ny tsy fanajana ilay tondrozotra. Efa fandeferana lehibe ny nidiran’ny ankolafy Ravalomanana tao anatin’izao rafitra tetezamita izao, saingy ny tombontsoan’ny firenena no notsinjovina. Izao fandrarana ny filoha Marc Ravalomanana tsy hiverina eto Madagasikara izao dia raisinay toy ny fihantsiana ady mivantana amin’ny vahoaka Malagasy, hoy ihany ny GTT-IDF. Heverin’izy ireo fa mitsahatra hatreo koa ny fampiharana ny tondrozotra ary angatahin’izy ireo ny fivoahan’ireo solontena avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny andrim-panjakana rehetra misy azy ireo. «Ampy izay ny fandraisan’anjara amin’izao rafitra misy izao ka ahatonga fizaràna andraikitra amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena», hoy ny fanambarana. Miantso ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka teo aloha ny GTT-IDF hifampidinika amin’ny filoha Marc Ravalomanana, ary hanolotra vahaolana maika hananganana tetezamita tena izy, tsy hiandraikitra afa-tsy ny fanomanana fifidianana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT