Politique

Fandraisan’andraikitry ny vehivavy Mihemotra i Madagasikara


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Mampanahy ny zava-misy ankehitriny ary hiteraka tsy fampandrosoana ho an’ny firenena hatrany raha ny fanendrena tompon’andraikitra tato ho ato no jerena,

 

 

 hoy ny mpiaro ny zon’olombelona Rafolisisoa Hanitriniala. Anjorom-bala ary adino tanteraka ireo vehivavy izay maro an’isa eto Madagasikara. Efa vitsy ny vehivavy eny amin’ny antenimieram-pirenena, manampy trotraka ny fanendrena governora izay tsy misy vehivavy na dia iray aza hatreto. Efa hita miharihary sy nolazaina mandrakariva fa manana fanomezam-pahasoavana manokana ny vehivavy amin’ny sehatra fitantanana saingy mbola maro angamba, hoy izy ny lehilahy mitana ny fomba nentim-paharazana ka mampirina sy mandrara ny vadiny tsy handray andraikitra.  Tsy ampy ihany koa ny fanabeazana ny olom-pirenena hampandray andraikitra ireo vehivavy Malagasy. Amin’izao fotoana izao aza dia efa misy sahady ny vehivavy tsy miankina iharan’ny ramatahora eny amin’iny faritra Anosizato Andrefana iny ny amin’ny maha kandida ben’ny tanàna azy. Tsy vitsy koa anefa ny vehivavy efa nisedra sakantsakana maro tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy hilamina ny firenena raha mbola izany foana no fomba fiasa sy fiheverana ny vehivavy, hoy hatrany Rtoa Rafolisisoa Hanitriniala.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT