Politique

Fandraisana mpiasam-panjakana 13 000 Ahiana hanjakan'ny kolikoly


  • Zoma 10 Febroary 2017

Mpiasam-panjakana manodidina ny 13 000 no fantatra fa horaisina ato ho ato. Amin'ny ankapobeny dia amin'ny alalan'ny fanadinana fifaninanana no handraisana ireny mpiasam-panjakana vao hampidiririna ireny.

 Tsy ilaozana kolikoly anefa ny zava-drehetra eto Madagasikara, ka misy ireo olona mahitahita no manao ity fandraisana sy fampidirana mpiasam-panjakana ity ho fitadiavam-bola. Zary lasa raharaham-pianakaviana ihany koa izany, ka ny havan'ny tompon'andraikitra mahitahita ihany no afaka, fa ny olon-tsotra mandeha amin'ny ara-dalàna sy ny ara-drariny, dia miahaka tanteraka. Ny faran'ny herinandro teo, ohatra, dia nisy ny resaka ren'ny olon-tsotra izay mba mihevitra hanao ireny fifaninanana ireny teny Analakely teny satria tany anaty trano fisotrosotroana no nivoahan'ny resaka fa ny fianakaviany dia tsy mila manao fanadinana dia afaka. Minisitera maromaro eto amintsika no malaza amin'izy io, ary ny ankamaroan'ny mpiasa dia mpianakavy. Tsy atao mahagaga raha mitotongana tanteraka ny firenena. Tsy ny traikefa intsony mantsy no mari-drefy handraisana mpiasa fa ny kolikoly. Very momoka fotsiny ny ezaka nataon'ireo nandany rondoha sy nisikimponitra. Mbola lavitr'ezaka ary tsy ho foana mihitsy ny kolikoly eto amintsika, ka tsy vaovao amin'ny maro intsony ny fahenoana fa nihemotra ny laharan'i Madagasikara. Mbola vao mainka nitombo ihany koa ny tahan'ny famotsiam-bola maloto, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Sampandraharaha misahana ny ady amin'ny Famotsiam-bola (SAMIFIN) vao andro vitsy izay. Mbola tolona sy ady sarotra ny ady amin'ny kolikoly eto, ary mila manova paikady sy miverina manao fandinihana hatramin'ny fakany mihitsy isika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT