Politique

Fandraisana ireo mpampianatra FRAM Iza no mampiesona ?


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Diso fanantenana ary rava ny nofinofin’ireo mpampianatra FRAM izay efa mba nanantena fa dia vita hatreo ny fitaintainan-dava sy ny familafilana ny tambinkarama kely fandrain’izy ireo isam-bolana.

Fony mbola kandida i Hery Rajaonarimampianina dia natao litania nitetezana an’i Madagasikara fa dia hivaha ao anatin’ny enim-bolana ny olan’ny mpampianatra FRAM fa dia horaisin’ny fanjakana ho mpampianatra raikitra izy ireo, haverina an-dakilasy ihany koa ireo mpianatra voatery nandao sekoly noho ny antony samihafa. Mpampianatra FRAM miisa 70.000 manerana ny Nosy sy mpianatra 1,5 tapitrisa no voakasik’izany. Ankehitriny anefa dia milaza indray ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, izay niara-nitety faritra nanao fampielezan-kevitra tamin’i Hery Rajaonarimampianina nambabo ny fon’ireo mpampianatra FRAM, fa sarotra ny manatanteraka io fandraisana ho mpampianatra raikitra ny mpampianatra FRAM manontolo io noho ny antony ara-bola. Hatramin’izao, na ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola taona 2014 aza tsy mbola nandalo teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nefa hisasaka ihany ity taona. Ka iza ary no mampiesona e ? Maninona no nambara rehefa tsy ho tanteraka ? Sa natao hakana ny vaton’ireo mpampianatra FRAM tamin’ny fifidianana fotsiny no nanaovana ny fampanantenana nipoapoaka ? Dia iza amin’izy 70.000 no horaisina ary iza no voatery hiaritra ny fijaliana eo ? Sao mba vao mainka hanome sehatra ny kolikoly indray ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ireto mpampianatra FRAM ireto ka korontana no hiafarany, nefa manakaiky ity ny fotoam-panadinana ara-panjakana !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT