Hanaovana andrana mandritra ny 30 andro eto an-drenivohitra ilay “logiciel” nasiam-panamboarana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo nantsoina hoe : Cigem, entina handrafetana ny lisitry ny mpifidy vaovao rehetra feno taona manerana ny Nosy.
Manodidina ny 22 mianadahy avy amin’ny cenit no miatrika ny fikirakirana izany no sady miofana ihany koa ka hampianatra ireo tomponandraikitra manerana ireo Fokontany rehetra eto an-drenivohitra mba hahatrarana ny tanjona. Omaly no nampahafantarana izany ny mpampahalala vaovao tetsy amin’ny biraon’ny Faritra Analamanga. Nambaran-dRanaivodimby Alberto, “Directeur des systèmes informatiques” fa na dia nisy aza ny tolo-kevitra nomen’ireo mpandraharaha sasany ny amin’ny fananany “logiciel” efa matihanina dia mbola tsara kokoa ilay nampiasaina tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo na dia namerina in-droa ny anaran’ny olona iray aza, araka ny fitiliana nataony niaraka tamin’ny Firenena Mikambana. Izay indrindra no anaovana ny fanandramana. Distrika miisa 13 eto an-drenivohitra aloha amin’izao fiandohany izao no hanaovana ity andrana ity izay ezahina hitohy manerana ireo Faritra 21 ambiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.