Politique

Fandorana lapan’ny tanŕna Olona 7 voasambotra tany Antsirabe


  • Talata 23 Febroary 2016

Raikitra ny fisamborana ireo olona voatondro ho nandoro ny lapan’ny tanŕnan’ny kaominina Inanantonana

 

. Amin’izao fotoana dia niisa 7 no voasambotra tany an-toerana ary miatrika fanadihadiana ao Antsirabe, ao amin’ny tobin’ny brigady Andranomadio raha eny amin’ny kaompanian’ny zandary kosa no hihainoana ireo nijoro ho vavolombelona. Ny sabotsy maraina teo no tonga tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny Emmo-Reg nitsimpona ireo voatondro, araka ny fitoriana faobe nataon’ny olona niisa 42 ka olona 23 no namoahan’izy ireo anarana, izay ahitana tsy ampy taona sy pastora iray tany an-toerana. Raha tsiahivina, ny alahady 7 febroary lasa teo no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna. Anisan’ireo kaominina dimy ao Vakinankaratra nahitana olana teo amin’ny fifidianana ny kaominina Inanantonana ka nanoloan’ny fanjakana ilay ben’ny tanàna lanim-bahoaka na dia efa nisalotra ny samboady tamim-pomba ofisialy aza. Raha tsy misy ny fiovana dia anio no hiakatra eny amin’ny fampanoavana ireto olona fito ireto ka nisy fokonolona 3 fiara Mazda sy 2 sprinter hanotrona izany eny amin’ny fitsarana.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT