Samy manana ny heviny ireo depiote isanisany amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna eny anivon’ny fivoriana ara-potoana ataon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny.
Raha naroso hodinihana lalina teo anivon’ny kaomision’ny fitantanam-bola, ohatra, ny alarobia 22 jona teo ny volavolan-dalàna mikasika ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana taona 2016, dia tazana nivoaka ny efitrano avy hatrany ny depiote Rakotomanjato Rodin, voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ary avy amin’ny vondrona parlemantera TIM. Nambarany tamin’ny mpanao gazety tety ivelan’ny Lapa fa terena ho masaka toy ny voalobo-jaza fotsiny ny fandinihana izany lalàna izany raha ireo antontan-taratasy voarakitra anaty boky 3 be izao samy misy pejy an-jatony avy nomena hodinihanay no asian-teny. Mahakely finoana ny hahafahana mandinika izany ao anatin’ny 3 andro monja dia tadiavin’ny fanjakana holaniana maimaika izao fotsiny fa hoe maika hanao fety nefa iankinan’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny resaka tetibolam-panjakana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.