Ho avy ato ho ato ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena handinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana.
Mazava ny resaky ny praiminisitra teny Mahazoarivo omaly tolakandro raha nihaona tamin’ny delegasiona izay tarihin’Andriamatoa Salou Djibo avy amin’ny Fikambanan’ny tany miteny frantsay na OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) izy. “Nodinihina tamin’ny antsipiriany farany tamin’ny Filankevitry ny governemanta ny maraina teo (30-01- 2018) ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana mialoha ny handefasana azy hankatoavina amin’ny Filankevitry ny minisitra ary avy eo dia halefa tsy ho ela hankatoavina eny anivon’ny parlemanta. Mety hisy, hoy ny praiminisitra ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Parlemanta amin’ny volana febroary ho avy izao.”. Notsiahivin’ny praiminisitra ireo dingana vita iomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity, indrindra ny fanatsarana ny lafiny lalàna nanomboka ny taona 2016.Tonga eto Madagasikara moa main’izao fotona ary ny nihaona tamin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier praiminisitra lehiben’ny governemanta ity delegasiona ity omaly tolakandro. Fantatra nandritra izany fa tonga izy ireo hanao tombana ny fiomanana amin’ny firosoantsika amin’ny fifidianana, hihaino ireo tompon’andraikitra samihafa na avy amin’ny fanjakana na avy amin’ny sehatra hafa toy ny fiarahamonim-pirenena mba hahafahana mandrefy ny ezaka vita sy hijerena ny fomba hanamafisan’ny OIF ny fanohanana an’i Madagasikara eo amin’izay lafiny fifidianana izay. Nampita hafatra fankaherezana avy amin-dRamatoa Sekretera jeneraly ihany koa Atoa Salou Djibo. Afa-po amin’ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’izay firosoana amin’ny fifidianana izay ny delegasiona araka ny nambarany. Tsiahivina fa anisan’ny iandraiketan’ny OIF ny manara-maso sy manohana ireo firenena mpikambana ao aminy, eo amin’ny lafiny fiomanana amin’ny fifidianana, ary tafiditra amin’izany ny dian’ity delagasiona ity eto Madagasikara. Tanjona ny hanomezana vahana ny filaminana, ny demokrasia ary ny zon’olombelona.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.