Politique

Fandinihana lalam-pifidianana “Misy ambadika politika”, hoy i Mamy Rakotoarivelo


  • Talata 03 Jolay 2012

Nisokatra omaly ary haharitra 12 andro ny ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemantan’ny tetezamita, faha-5 tamin’ity taona ity.

 Raha ny teny Tsimbazaza dia tsy nisy kabary nataon’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny fanokafana ofisialy fa ny filoha lefitry ny Faritanin’i Mahajanga no namaky ny lalàna mamaritra ny fivoriana dia notononin’ny filoha Mamy Rakotoarivelo fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ity fivoriana tsy ara-potoana handinihana volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana ity.

Na izany aza dia nitondra ny heviny mahakasika ny zava-misy tamin’ny alalan’ny fitafana fohy tamin’ny mpanao gazety izy ka nanambara fa tsy tokony ho nirotorotoana ny fandinihana lalàm-pifidianana tsy fantatra daty eny anivon’ny Parlemanta eny. Misy ambadika politika hikendrena olona tsy ho afaka hilatsaka hofidiana ao anatin’ity raharaha ity, hoy izy. Aminay dia tokony ho aorian’ny dinika hifanaovan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina vao ilaina ny fivoriana tsy ara-potoana. Araka ny mahazatra dia 12 andro raha ela indrindra no faharetan’ny fivoriana tsy ara-potoana. Ny tsikaritra aloha dia mbola bangabanga be hatrany ny toerana tao amin’ity Lapam-panjakana ity omaly fa ireo tazana matetika mamonjy fivoriana ihany no tazana ao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT