Tapa-bolana tsy hiatombohan’ny fampielezan-kevitra dia efa mahatratra folo (10) mahery sahady ireo tsy fanarahan-dalàna voaray eo anivon’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI).
Maro sahady ireo olon-tsotra na kandidà ben’ny tanàna sy mpanolotsaina no tonga mametraka fitarainana. Fitarainana am-bava aloha no misy fa tsy mbola nisy ny an-tsoratra. Voalaza fa fampiasàna fitaovam-panjakana sy fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no hita ataon’ireo kandidà eny anivon’ny fokontany izay handalovan’izy ireo. Tokony hanaraka ny fitsipi-dalao ny kandidà rehetra handray anjara amin’ny fifidianana araka ny lalàna mifehy ny fifidianana, hoy ny teo anivon’ny CENI. Ny fanarahana izay voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra no tokony harahin’ny tsirairay. Azon’ny kandidà tsirairay atao ny mampahafantatra ny tenany fa tsy azony tonttosaina ny fanentanana mivantana na an-kolaka amin’ireo mpifidy. Nanamafy moa ity vaomieram-pirenena ity fa azo atao tsara ny mametraka fitarainana eny anivon’ny sampam-pitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana raha msiy tranga voamarina ka manana porofo amin’izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.