Ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ ny 11 mey 2018 sy ny tovana amin’ izany no mamaritra ny lalàna mifehy ny fitantanana ankapobeany ny fifidianana ben’ ny tanàna sy mpanolontsaina.
Voafaritra amin’ izany fa tsy azon’ ny fitondrana atao no mitongilana amina antoko na loko politika na kandidà. Izany no ameran’ ny lalàna ny tsy fahazoana manao fitokonana fotodrafitrasa ao anatin’ny fotoanan’ny propagandy sao halaim-panahy ireo mpiasam-panjakana na ireo mpitondra ka hanararaotra izay hanaovana propagandy. Firy sy firy izay ny fitetezam-paritra nataon’ny filoha Rajoelina raha tato anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra no hasian-teny ? Firy izay ny isan’ireo fidinana ifotony nataon’ireo governoram-paritra miaraka amin’ireo kandidà ? Voararan`ny lalàna ny manao fampielezan-kevitra an-tsekoly, tranom-panjakana… Toa tsy ampy ho an’izay mahazo fahefana intsony ny fotoana fanaovana propagandy fa voatery mambabo vahoaka isak’izay mitety faritra; araraotina izao lalana simba sy sekoly na biraom-panjakana simba rehetra izao hampanantenana ny vahoaka fa hamboarina. Dia io fa mijoro eo ny solotenam-panjakana sy ny kandidan’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Fa tena tsy mahita, tsy mandre, tsy mahafantatra ireny mihitsy ve ny CENI sanatria ? F’angaha tsy mba misy mpanara-maso mihitsy fa dia resaka anaty boky sy ambony latabatra fotsiny izy ity e ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.